 |
Taorian’ny resadresaka natao teny amin’ny tranom-bokim-pirenena Ampefiloha ny 6 - 7 - 8 Septambra 2002 teo dia izao ny fehin-kevitra azo tsoahina avy tamin’ny lohahevitra hoe : “Ny fanorona sy ny fiainam-pirenena”.
Raha ny fampiratiana no jerena dia nahitana fa mifamatotra amin’ny tantararam-pirenena hatrany ny fanorona, ary ireo mpanjaka nitondra teo aloha dia nanao sy nandala azy avokoa. Nanomboka teo @ Andriamanelo : Na dia naharesy ny vazimba tamin’ny lefona aza izy dia niaiky fa tsy mahatohitra azy amin’ny hevitra sy ny hafetsena ka dia nianatra fanorona tamin’ny vazimba fa izay no ahafahana mitantana ny tany sy ny fanjakana.
Andrianampoinimerina moa dia efa hatramin’ny fahakeliny no nanao ny fanorona ka avy tamin’izany ilay tetipanorona nisehoan’ny tsipohy lasa akoho, ny akoho lasa ondry, ary ny ondry tonga omby vavy be ronono. Avy amin’ izany koa no nampiraisany an’i Madagasikara. Ohatra nanao raha fahirano izy dia endriky ny fanafoanana avy amin’ny fanorona izany. Nanambady maro izy dia ny laka afovoany telo ambin’ny folo miampy ny tenany. Nanaiky azy izao tontolo izao amin-ny fahaizany mitetika sy mipaika raha hitondra firenena izany.
Ranavalona I : Tsy ny fahalozan-dRanavalona no namonoany an-dRasalama sy ny namany fa fiarovany ny hasin’ny maha-malagasy, ary ao anatin’izany ny fanorona. Toy ny vatom-panorona teo am-pelatanan’ny vahiny mantsy no fiheverany ireo kristianina tamin’izany ka nampiasainy ny teny hoe “rehefa be no afaka kely no sisa” ka naleony namoy an’ireo toy izay hamoy ny fireneny.
Repoblika I : leo ny mihinam-bela ireo mpianatra ho dokotera ka nampiasa tetika maty paika dia ny famàhana vela saritaka ka na novonoina aza izy ireo dia fantany fa raha vato iray tsy mahalany azy.
Repoblika II. Teo dia nanao fanoron-dratsy ny gasy izany hoe niverin-dalana. Nanangana fitondrana, nanongana ilay fitondrana, nanangana fitondrana vaovao, niverina tamin’ilay fitondrana taloha ; dia iny niaraha-nahita iny fa saika tsy afa bela isika mianakavy tamin’ny ‘’krizy’’
Ary teto no nahalasa saina fa raha nijanona teo amin’ny ombivavy be ronono Andrianampoinimerina, nisy kosa nanomboka teo amin’ny ombivavy beronono ; Omby vavy beronono lasa yaourth, ny yaourth lasa dibera, ny dibera tonga tonga fromazy, ny fitambarany orinasa, ny orinana lasa ben’ny tanana, ny ben’ny tanana nanjary filoha.
Tena teti-panorona vita paika izany. Mino izahay fa mpanao fanorona io olona io ary tsy afaka am-bavany ny teny hoe : “paik’ady sy tetika” raha nanangana ireo PDS isam-paritra izy. Isika rehetra saika tsy nahandry ary efa saika hitroatra teo am-piandrasana ny paik’ady ; ny mpanao fanorona nefa tsy taitra ary izao hitantsika izao. Niseho tsy nanaiky ireo firenen-dehibe fa tsy niala teo an-daka izy, tonga amin’ilay teny hoe : ‘’fanorona mahazo laka tsy mijanona raha tsy mandresy’’. Ary ireo fototra ijoroana toy ny rariny, hitsiny, marina, masina fanorona io.
Ndao ary ry Malagasy fa Andrianampoinimerina sy ny fanorona io. Miverina amin’ny laoniny ny Malagasy ; Fanorona io.
Razafimahatratra Jean de Dieu
Mpikaroka sady mpilalao fanorona
|
 |
 |
Azonao atao ny mandefa fanamarihana, raha misy, ka mahakasika ity lahantsoratra ity.
[Eto miditra]
Raha hijery ireo fana-marihana efa misy kosa dia eto [eto]
|
 |
|
|
|
 |